2 Peter 1

1Simona Petera, mpanompo sy apostolin’i Jesosy Kristy, ho an’ireo izay nahazo ny finoana sarobidy tahaka izay noraisinay, finoana ao amin’ny fahamarinan’ny Andriamanitsika sy Jesosy Kristry Mpamonjy. 2Hampitomboina anie ny fahasoavana sy fiadanana nohon’ny fahalalana an’Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.

3Ireo zavatra rehetra mahakasika ny herin’ Andriamanitra ho an’ny fiainana sy toe-panahy dia nomena antsika tamin’ny alalan’ny fahalalana an’Andriamanitra, izay niantso antsika tamin’ny alalan’ny voninahiny sy ny fahatsarany manokana. 4Tamin’ny alalan’ireo, nomeny teny fikasana tsara sady lehibe indrindra isika, mba ho tonga mpizara amin’ny fomban’Andriamanitra ianareo, raha mitsoaka ny fahalotoana izay eto an-tany noho ireo filàn-dratsy.

5Noho izany, manaova ny tsara indrindra mba hanampiana fahatsarana amin’ny alalan’ny finoanareo, ary amin’ny alalan’ny fahatsaranareo, ny fahalalana. 6Amin’ny alalan’ny fahalalanareo, manampia fahononam-po, ary amin’ny alalan’ny fahononam-ponareo, manampia fiaretana, ary amin’ny alalan’ny fiaretanareo, manampia toe-panahy. 7Amin’ny alalan’ny toe-panahinareo, manampia fitiavana rahalahy, ary amin’ny alalan’ny fitiavana rahalahy, manampia fitiavana.

8Raha ao aminareo ireo ary mitombo ao aminareo, dia tsy tsy hamoa na tsy tsy hamokatra amin’ny fahalalana an’i Jesosy Kristy Tompontsika ianareo. 9Fa na iza na iza tsy ampy ireo zavatra ireo dia tsy mahita afa-tsy izay akaiky; jamba izy. Nadinoiny ny fanadiovana azy tamin’ireo fahotany taloha.

10Noho izany, ry rahalahy, ataovy ny rehetra mba hahazoana antoka ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo. Raha manao ireo zavatra ireo ianareo, dia tsy ho voafingana. 11Amin’izay dia malalaka ho anareo ny fidirana ao amin’ny fanjakana mandrakizay izay an’ny Tompontsika sy Jesosy Kristy mpamonjy.

12Noho izany dia vonona foana aho hampatsiaro anareo ireo zavatra ireo, na dia fantatrareo aza ireo, ary na dia mantanjaka ao amin’ny marina aza ianareo ankehitriny. 13Izaho mieritreritra fa rariny amiko ny mamoha anareo amin’ny fampahatsiahivana ireo zavatra ireo, raha mbola eto amin’ity trano-lay ity aho. 14Satria fantatro fa tsy ho ela dia ho esoriko ny trano-laiko, tahaka izay nasehon’i Jesosy Kristy Tompontsika ahy. 15Ary ho ataoko izay farany vitako mba hahatsiarovanareo mandrakariva ireo zavatra ireo rehefa lasa aho.

16Fa izahay dia tsy nanaraka angano tsara rafitra izay noforonona rehefa niresaka taminareo ny momban’ny hery sy ny nisehoan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Fa kosa, izahay dia vavolombelona nahita ny fiandrianany. 17Fa Izy dia naharay laza amam-boninahitra avy tamin’Andriamanitra Ray rehefa nisy feo tonga teo Aminy tamin’ilay voninahitra lehibe indrindra hoe: “Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra.” 18Nandre izany feo avy tany an-danitra izany izahay, rehefa niaraka taminy teny an- tendrombohitra masina.

19Isika dia manana ity teny faminaniana izay efa natao mafy orina ity. Tokony hitandrina izany tsara ianareo. Izany dia tahaka ny jiro mazava ao anaty haizina mandra-piavin’ny maraina sy ny kintan’ny maraina miposaka ao am-ponareo. 20Fantaro aloha izao, fa tsy misy faminaniana avy amin’ny famoahan-kevitry ny olona. Fa tsy misy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona. Fa kosa, notarihan’ny Fanahy Masina izy ireny mba hiteny izay notenenin’Andriamanitra.

21

Copyright information for PltULB